Monday, January 22, 2007

To Be or Not To Be a Malagasy Economist ?

--------------------

ADDED BY SHADOW AT : Tuesday, February 20, 2007 - 1:30 PM

--------------------
Taorian'ny resadresaka natao teto @ ity sehatra ity [1] nifamaliana t@ mahay toe-karena iray dia nisy ireo namana MpiTafatafa [2] (innocent, tsinjo) izay nidera ny mahazava-dehibe ny adi-hevitra sy ny famakafakana toy ireny eo @ fivoaran'ny fiaraha-monina, hahafantarana ny fijerin'ny tsirairay ary hahafahana ihany koa mivoy ny hevitry ny tena manokana. Rehefa nandeha ny fotoana dia lasa ihany ny eritreritra momba ny fisian'izay adi-hevitra sy famakafakana izay eo @ serasera Malagasy. Any @ firenena mandroso mantsy dia saika isan'andro no miditra an-tsehatra, manoratra @ gazety na miakatra @ haino aman-jery ireo manam-pahaizana, isan'izany ireo izay mpahay toe-karena, manazava ny sain'ny olon-tsotra. Raisina ohatra ity tranga niseho andro vitsivitsy ity. Ankoatry ny maha-mpampianatra azy ao @ Oniversite frantsay isan'ny malaza indrindra (Université Paris I - Panthéon Sorbone [3]) dia mpaneho hevitra matetika (columnist) ao @ gazety Libération [4] ingahy Philippe Martin [5]. Tao anatin'izay asa fanapariahana hevitra an-gazety izay no nanaovany lahatsoratra [6] momba ny politika fiarovana ny toe-karena eo anatrehan'ny fanatontoloana. Tsy naharitra ela dia niala any ny tsikera [7] avy @ ingahy Jacques Sapir [8] (izay lehibena ivotoeram-pikarohana iray ao @ E.H.E.S.S. [9]). Ny fifamaliana teo @ izy mirahalahy dia nanintona ny fijerin'ny mpikirakira toe-karena mpiray tanindrazana aminy. Isan'izany ohatra ny namoahan'i Lionel Fontagné [10] (mpikambana ambony ao @ C.E.P.I.I. [11]) ny heviny [12] t@ alalan'ny tranon-kalan'i Telos [13]. Tsy hiditra lalina @ resak'izy ireo isika fa ny tiana navoitra t@ iny ohatra iny dia ny fahavitrihan'ny famoahan-kevitra avy @ ireo manam-pahaizana. Ny resaka izay entina eo anivon'ny valalabemandry (gazety, haino aman-jery, tranon-kala, bilaogy, ...) no tiana ambara eto fa tsy voatery ireo vokatra siantifika izay miseho any @ gazety-boky voatokana ho @ izany (journal articles with a reading committe, ...) tsy voatery hitan'ny rehetra akory.
Ho an'i Madagasikara dia tsy vitsy ireo lohahevitra ara-toe-karena izay mahaliana sy tokony hanaovana famakafakana @ serasera (gazety, haino aman-jery, tranon-kala, bilaogy, ...) mba ho hitan'ny besinimaro. Ny ankamaroan'ny lahatsoratra an-gazety anefa dia tsy dia mirona @ izay famakafakana izay fa mionona @ fitateram-baovao fotsiny. Soa fa misy ireo mpanoratra izay milaza azy ho tsy tena manam-pahaizana manokana @ toe-karena kanefa maneho tsara ny heviny @ io lafiny io. Tsy miteraka olana izany raha eo ny fahamarinam-pototry ny fomba fisainana sy ny zavatra ambara. @ ireo milaza azy ho tsy mpahay toe-karena ary dia ohatra i Tattum [14] izay nanoratra t@ fomba tsotra tao @ Malagasy Miray [15] momba ny karama sy ny fahefa-mividy [16]. Heverina fa ny lahatsoratra toy itony dia ateraky ny train-kefa sy ny fijerena ny zava-misy an-davan'andro. Toy izany koa ohatra ny lahatsoratr'i Nj [17] (izay tsy milaza tena ho ekônômista ary tsy milaza ny mifanohitra @ izay koa anefa na dia tsy dia tia miditra @ resaka [18] somary teorika aza) momba ny politikan'ny hetra [19]. Misy koa ireo manam-pahaizana havanana @ taranja hafa mifanakaiky @ toe-karena no mitondra ny fijeriny @ lohahevitra izay tena mifantoka @ toe-karena. Isan'izany ohatra i Roger Rabetafika (ao @ I.S.E.C. [20]), manam-pahaizana @ resaka hetra, izay mamoaka hevitra [21] tsindraindray @ serasera mba hodinihan'ny olon-tsotra (mbola hofakafakaintsika ny @ izay). Torak'izany koa Razafy izay afaka mamoaka fanadihadiana [22] tsara petrapetraka, na dia indrisy fa mahalana aza ny anaovany izany. @ ireo mpikirakira toe-karena an-davan'andro any @ sehatry ny fitantanana orin'asa (management, ...), fanaovana asa fanoroan-kevitra sy fanoloran-tsaina (consulting, ...), ... dia vitsy no re matetika eny @ serasera mba maneho ny famakafakany ny zava-misy. @ izay vitsivitsy izay dia azo singanina ho santionany ny bilaogin'i Aiky [23] izay ahitana lahatsoratra mikasika ny famokarana, varotra, ... mahaliana tokoa.
Mba ahoana kosa ary ny @ ireo matihaninana @ fahaizana toe-karena, izany hoe ireo mampianatra, mpikaroka any @ Oniversite, any @ ivotoeram-pikarohana maro isan-karazany any ? Aleo aloha jerena vetivety ny tontolon'ny fanofanana @ taranja toe-karena : Oniversite telo no hany afaka manofana ekônômista eto Madagasikara : ny I.C.M. [24], ny Oniversiten'i Toamasina [25] ary ny Oniversiten'Antananarivo [26]. @ ireo telo ireo anefa dia ny eny Ankatso irery no afaka manofana mpahay toe-karena avo lenta, izany hoe misy ambaratonga fahatelo ahazoana mari-pahaizana mitovy lenta @ Master/D.E.A. sy Ph.D/Doctorat. Vitsy dia vitsy ny mpampianatra afaka misalotra ny laharana Profesora (dokotera manana mari-pahaizana fahafahana mitarika asa fikarohana na nandalo fifaninanana) satria toa tsy mahatratra folo ny isany raha tsisy adino. Tsy dia mahagaga araka izany raha tsy betsaka ny mpianatra mahazo ny mari-pahaizana maha-dokotera avy ao Ankatso. @ ireo manomana ny thesis ao Ankatso dia saika ireo izay efa any @ tontolon'ny asa no manao izany. Isan'izany ohatra ingahy Razafindravonona Jean [27], izay tale jeneralin'ny Instat [28]. Maro kosa ireo izay mandranto fianarana any am-pitan-dranomasina mba hahazoana izay mari-pahaizana maha-dokotera izay. Sarotra ny ananana antontan'isa ny @ izay fa ny zavatra tsikaritra aloha (fijery manokana mety ho diso) dia saika miompana @ fampandrosoana (development economics), ny tontolo ambanivohitra (rural economics), ny fitandrovana ny tontolo iainana (environmental economics), ... ny ankamaroan'ny fikarohana (thesis) ataon'ny mpianatra Malagasy any am-pita. Raha tsy azo lavina ny mahazava-dehibe an'ireo sehatra ireo dia lesoka ihany ny tsy fananana olona manam-pahaizana @ lafiny hafa. Tsy dia betsaka (mbola fijery manokana koa ity) ny manao fandalinana ny resaka ara-bola (monetary economics), ny fampiasam-bola eo @ lafiny iraisam-pirenena (international finance), ny fampivadiana ny taranja politika sy toe-karena eo @ lafiny iraisam-pirenena (international political economy), ...
Raha azo heverina fa maro ny mpahay toe-karena Malagasy mielim-pantrana any rehetra any dia ankavitsiana ihany ny miditra an-tsehatra @ serasera mba haneho fanazavana momba ny lohahevitra ara-toe-karena. Nisy fotoana dia nandray anjara t@ ireny karazana forum [29] @ tranon-kala ireny i Mireille Razafindrakoto [30]. Nahaliana tokoa izany fandraisany anjara izany rehefa maneho ny heviny [31] mikasika ny vaovao hita an-gazety izy, indrindra moa rehefa mampahafantatra ho an'ny sarambabem-bahoaka ny ampahany [32] @ lahatsoratra izay nosoratany izy. Ho an'ny mpikaroka mantsy dia moramora ho azy ireo ny mahita ny lahatsoratra sy ny boky soratan'io mpahay toe-karena Malagasy isan'ny malaza indrindra io. Fa ho an'ny olon-tsotra kosa dia @ alalan'ny serasera (gazety, haino aman-jery, ...) ihany no tena ahafahany manao izay. Fomba ampiaisain'ny sasan-tsasany kosa ny miresaka mivantana an-gazety. Isan'izany ohatra i Eric Mandrara [33] izay tsy misalasala mamaly ny fanontanian'ny mpanao gazety : ohatra1 [34] ; ohatra2 [35] ; ohatra3 [36]. Anisan'ireo vitsy izay miakatra @ fampielezam-peo ingahy Raymond Razafindrakoto [37] mamelabelatra ny fijeriny [38] ny @ fampandrosoana an'i Madagasikara. Ity farany ity moa dia isan'ireo manam-pahaizana vitsy afaka namoaka boky (mbola horesahantsika ny @ izay atsy ho atsy). Ny fampiasana ny bilaogy sy ny tranon-kala manokana aloha dia tena mbola tsy miparitaka eo @ ekônômista Malagasy.
Ahoana ary ny mahatonga ireo manam-pahaizana @ resaka toe-karena somary tsy dia re matetika eny @ serasera isan-karazany eny ? Mety ho maromaro ny valiny. Ho an'ireo manam-pahaizana izay ao anatin'ny sampan-draharaham-panjakana (mpikaroka @ ivotoerana miankina @ Fanjakana, mpanao fandalinana any @ Ministera, ...) dia misy karazana tahotra ihany no antony tsy hitenenana matetika. Rehefa miresadresaka @ izy ireny ka midinika izay tsy mety @ politika ara-toe-karena ampiharin'ny mpitondra ohatra dia fandre ny hoe aleo mangina fa manahirana indraindray ny miloa-bava. (Tsaroana @ izany ny dinidinika niarahana t@ teknisiana iray momba ny iray @ politika ara-toe-karena izay isan'ny nahoraka efa-taona lasa izay). Misy sokajy iray izay somary voafetra koa ny fahafaha-miteniny dia ireo izay miasa @ fikambanana iraisam-pirenena. Misy ihany mantsy ny Malagasy izay tafiditra @ izy ireny (misy @ ireny ny mitsidika eto tsindraindray). Ny azy ireny tsy hoe tahotra no tsy hitenenena fa ny fitsipika mifehy ny asa aman'andraikitra no tena mibaiko. Raha nanontaniana indray ity mpampianatra sady mpikaroka Malagasy iray izay isan'ireo ambony indrindra (eo @ laharana akademika) dia nilaza izy fa tsy dia resaka tahotra hilaza hevitra kosa no mahatonga ny somary fahanginan'ny eny @ Oniversite. Ny tena olana hoy izy dia matetika tsy dia mahaliana ny olona ny resaka rehefa somary miditra lalindalina. Olana iray ihany koa dia ny fomba fiasa zatra manao an-kilam-bao an'ireny manam-pahaizana ireny. Santionan'ny resaka nifanaovana t@ io avara-pianarana io ny hoe : inona no anjara birikin'ny avy eny @ Oniversite t@ fanoratana an'ilay Madagascar Action Plan - M.A.P. ? Dia mampieritreritra ny valinteniny : tsy nilaina izany hoy izy satria tsy dia fahazarantsika Malagasy loatra ny manao jery lavitra sy manao fandinihina lalina, izay tena ilàna ny manam-pahaizan'ny Oniversite, alohan'ny hanaovana ny drafitr'asa toy ireny M.A.P. ireny.
Eto am-pamaranana dia tiana ny misarika ny saina @ fomba fanao any @ firenena mandroso sy ny @ toeran'ny manam-pahaizana ara-toe-karena. Ny fisian'ny fikambanana mavitrika toy ny American Economic Association [39] dia mety hitera-bokatsoa @ fanatsarana ny fanofanana ekônômista, fanamorana ny famoaham-boky na lahatsoratra, fanamorana ny fampitan-kevitra ho an'ny tompon'andraikitra, fampianarana ny olon-tsotra ny pitso-pitsony momba ny toe-karena, ... Tsetsatsetsa no ilazana fa misy ihany ny efa manao ezaka toy ny Jeunes e-gasy [40]. Mampivoatra ny fandiniky ny olon-tsotra ny toe-karena ny fanoratan'ny manam-pahaizana matetika an-gazety (columns) toy ny ataon-dry Philippe Martin [41] sy ry Thomas Piketty [42] ao @ Libération na koa ry Paul Krugman [43] ao @ New York Times [44]. Izany dia isan'ny mahatonga ny mpahay toe-karena hanana ny toerany manokana eo @ tontolon'ny serasera. Tsy mahagaga koa raha any @ tany mandroso dia mahaliana ny maro ny mijery hoe iza indray ireo tanora vao misondrontra ho avin'io taranja toe-karena io arak'ity lahatsoratra [45] tao @ New York Times ity ohatra (izay nasian'i Nouriel Roubini [46] resaka tao @ bilaoginy [47]). Fijery manokana daholo izany rehetra izany. Mandram-pàha aloha dia manohy ny tapatapak'ahitra ihany isika eto @ ity sehatra ity [48].
--------------------

ADDED BY SHADOW AT : Tuesday, February 20, 2007 - 1:30 PM

Rehefa mba nanaovana fanadihadiana kely hoe eo @ firy moa ny isan'ny mpahay toe-karena mieli-patrana maneran-tany dia misimisy ihany. Mety misy ny tsy voaisa fa raha ny nisaina aloha dia eo @ folo ny Malagasy mpahay toe-karena ka mampianatra na miasa @ ivotoeram-pikarohana any ivelan'i Gasikara (Kanadà, Etazonia, Frantsa, ...). Mihodidina eo @ efa-polo eo kosa ny mpianatra izay manomana ny mari-pahaizana maha-dokotera @ taranja toe-karena, ka saika ao Frantsa no misy azy ireo (eo @ telo-polo eo) na dia misy koa aza any @ firenena hafa.
--------------------
Rohy

9 comments:

Anonymous said...

Misaotra tompoko ô, ça nous permet d'avoir des infos et des références sur les débats économiques actuels.

Shadow said...

Tsisy isaorana ny @ izany tompoko satria tsy izao ve moa no isan'ny tanjon'ity sehatra ity dia : ny hanomezana vahana ny resaka toe-karena sy politika, indrindra moa ny mahakasika an'i Gasikara ?

jentilisa said...

Tena misaotra indrindra tamin'ny fanoratana teny malagasy. Hita tsara ny fiezahana. Eo hatrany manko matetika no mampisy elanelana eo amin'ny manam-pahaizana sy ny sarambambe. Vao namaky indray mandeha aho dia vitako hatramin'ny farany. Ny teny frantsay moa matetika dia iverimberenana vao mahavita tsindraindray.

Shadow said...

Mbola betsaka ny lesoka tokony harenina @ izay fanoratana @ teny gasy izay eto @ ity sehatra ity. Mampisalasala ahy ohatra ny fanoratra ny hoe toe-karena : misy tsipi-panohizana sa tsia ? Eo koa ny tsy fifehezana ny voambolana teknika. Na eo aza ireo olana ireo dia hezahina arak'izay azo atao ny manisy lahatsoratra @ teny Malagasy eto. Ary misaotra @ fampaherezana avy @ tsirairay na ny manoratra mivantana eto na ny manoratra @ mailaka.

Tattum said...

Miandry ny lahantsoratrao ao amin'ny Malag@sy Miray sisa izany ;)
Misaotra ho an ireo rohy maro fa tena misy jerena sy hienarana tokoa.

mirana said...

faly aho mampandre anareo fa efa nisokatra efa telo taona ny DEA population et développement ao amin ny ICM ambatoroka(iarahana amin ny IRD zy io (institut de recherche pour le ddéveloppement) eo am paminavinana ny école doctorale.

Shadow said...

Miarahaba an'i Mirana,
Araky ny nolazaiko teo aloha dia eny Ankatso irery no misy Master2/Dea SY Doctorat. Zava-dehibe tokoa arak'izany ny mety hisokafan'ny sekoly hanofana dokotera ao @ I.C.M. Ambatoroka. Ny faniriana fotsiny dia enga anie mba samy hanana ny tena mampiavaka azy ireo ny seha-piofanana tsirairay. Satria tokoa mantsy hatr@ izao dia saika ny mpampianatra eny Ankatso ihany no hita eny Ambatoroka indrindra ny lohandohan'ny mpisorona toa an-dry Profesora Ramiaramanana, ... Mbola mitovitovy ihany koa ny fametrahana ny fiaraha-miombon'antoka @ vahiny : ny I.R.D. ohatra dia efa hita eny Ankatso (@ alalan'ny Unité Mixte de Recherche toy ny C3EDM, ...). Raha betsaka loatra ny fitovitoviana dia manjary lasa lesoka izay eo anivon'ny tolotra ara-panofanana.

Mirana said...

Miarahaba an i Shadow. Marina tokoa ny filazanao momba ny mpampianatra ao amin ny ICM raha ny taranja toe karena no jerena. Anefa, raha ireo 3ème cycle no jerena (telo izy ireo) dia ifandrombonana mpampianatra avy any ivelany maro ary vitsy dia vitsy ny avy eto an toerana. Na ny DEA aza dia tsy ny IRD irery ihany fa misy ihany koe oniversite frantsay roa hafa. tahaka izany ihany koa ny master pro izay ny essdes Lyon no mikarakara azy (anatin ny 20, mpampianatra eo amin ny 3 no avy eny Ankatso. Tsy midika akory izany fa tsy mahay ny antsika fa efa betsaka ny zava bitany teo amin ny fanomezam pototra ka aleo angamba mba homena fijery vaovao ihany koa ny mpianatra, sa tsy izay ilay fisamihamihafana lazainao?
Farany, mahafinaritra ny toeram piseraserana. mampalahelo tokoa fa betsaka ny manam pahaizana malagasy amin ity taranja ity. Indrisy anefa fa toa tsy ampiasaina araka ny tokon ny ho izy izany, sa kosa ve ny manam pahaizana ara toekarana mihitsy no tsy omena ny toerany eto amintsika?

Shadow said...

<< ka aleo angamba mba homena fijery vaovao ihany koa ny mpianatra, sa tsy izay ilay fisamihafana lazainao >> (Mirana)
Izay mihitsy ka ! Indrindra moa raha tena samihafa ny fampianarana (spécialités).
<< Farany, mahafinaritra ny toeram piseraserana. >> (Mirana)
Izaho aloha raha mbola azoko atao dia manasa hatrany an'ireo mpahay toe-karena mba handray anjara mavitrika @ serasera (ka hanokatra ny bilaoginy manokana ohatra, ... eny fa na dia tsy ny bilaogy irery aza ny serasera azo ampiasaina ary na dia vitsy ihany aza ny olona afaka mamaky ireny). Liana tanteraka aho izao raha manokatra ny bilaoginao koa ianao ry Mirana ; na manoro ny adiresiny raha efa misy izany.