Thursday, September 14, 2006

Fa Gasy Aho

Tapa-bolana lasa izay no nanokafana an'ity sehatra ity. Ekena fa fohy loatra izany fe-potoana izany raha tena hanao jery todika ny fandehany isika. Na izany aza, misy ihany ny zavatra vitsy azo ambara.
Tany am-boalohany dia maro ny fanontaniana nipetraka toy ny hoe : atao amin'ny fiteny inona ary ny resaka eto. Raha ny nironan'ny saina aloha dia atao tamin'ny teny Anglisy izany satria dia io no fitenin'ireo mikirakira ny resaka toe-karena amin'ny ankapobeny. Indrisy anefa fa tsy tena mbola mahazo vahana loatra ny teny Anglisy ho an'ny Malagasy. Raha ny safidin'ny fo indray dia atao teny Malagasy ranoray ny resaka. Saingy sarotra ny mandainga fa maro ireo voambolana (indrindra teknika) izay tsy voafehy ka mety hitarika ny tena hanoratsora-poana. Noho izany dia ho tsinjo matetika eto ny fampiasana teny vary amin'anana (Malagasy-Anglisy-Frantsay) izay azo an-tsaina fa tsy dia hahafaly loatra ireo saro-piaro amin'ny fitenin-drazana. Kanefa tsy hatao olana izany raha heverina fa izay no hahafahana mampita hevitra. Na izany aza dia hanaovana ezaka ny hamoahana lahatsoratra misimisy amin'ny teny Malagasy, izay rahateo no nahatonga ny fanokafana sokajy : " Fa Gasy Aho ".
Tiana koa ny mitondra fanamarihana kely mikasika ilay fomba fanoratra nofinidy. Fanamby napetraka hatrany am-boalohany mantsy ny tsy hanaovana kitoatoa fa hitandremana ny kalitaon'ny vokatra eto. Izay no mahatonga ny lahatsoratra sasany ho lava satria anehoana fanadihadiana lalina. Voaray tokoa ny ako avy amin'ny mpamaky sasany hoe mavesatra sy manahirana ny mamaky lahatsoratra lava. Tsy hoe ny hamizana ny mpamaky anefa ny tanjona fa ny iarovana ny hevitra tian-kampitaina, ny itondrana porofo mivaingana (ohatra lahatsoratara nosoratan'ny manampahaizana, fanadihadiana nivoaka, ..) amin'izay zavatra soratana ary mba ialana amin'ny fanomezana fijery misavoam-boana fotsiny. Na izany dia hanaovana ezaka ny hamoaka lahatsoratra tsy dia ho lava loatra kanefa manaja ilay kalitao napetraka ho fanamby.
Dia hanao ahoana ary ny ho tohin'ny raharaha ? Rehefa nojerena ny antontan'isa mikasika ireo izay nitsidika ity sehatra ity dia misimisy ihany hoy ny tsy mahay manisa. Misy aloha ireo kisendrasendra ny tafiditra eto. Misy kosa ireo miverina mijery ny vaovao farany. Midika izany fa na dia kabary ambony vavahady aza no atao tsy dia kabary an'efitra loatra izany ary mahavelom-bolo sy mamporisika tokoa. Araka ny efa hita dia somary mielanelana ny fivoahan'ny lahatsoratra (izany hoe tsy isan'andro dia misy mivoaka foana) satria ny fanaovana lahatsoratra iray ohatra dia mety ilana fikarohana misimisy, ny fotoana anefa teren'ny andraikitra tsy maintsy iantsorohana ihany. Izay tsy fahampiana eo amin'ny lafin'ny isa izay dia hofenoana amin'ny kalitaon'ny lahatsoratra izay visavisaina ho tsara hatrany.

No comments: