Sunday, November 25, 2007

Ala Voly Kely

Rehefa hierina ny andro dia hotolorana amin'ny fomba ofisialy ilay loka malaza Ballon d'or atolotry ny gazety boky France Football. Ny hampiavaka azy amin'ity taona dia ny mpilalao rehetra maneran-tany no isafidianana izay hahazo izany, ny mpitsara koa dia avy amin'ny vazan-tany efatra. Mba ialana voly kely eto amin'ity sehatra ity dia indreto horonantsary roa : ny iray ahitana an'ingahy Kakà izay azo antoka (raha ny filazan'i Corriere della Sera) fa hahazo ny loka ary tena mendrika izany tamin'ity taona ity, ny iray kosa maneho an'ingahy Maldini, izay angamba tsy hahazo io loka io mihitsy nefa rariny raha deraina ho an'ny vitany hatrizay niaraka tamin'ny Ac Milan.


Ricky Kakà


Paolo Maldini

2 comments:

Unknown said...

Manaona ô,

Nisy mpamaky nampiditra an’ny bloginao ho Blaogy Malagasy Tsara Indrindra tao amin’ny http://www.bestofmalagasyblogs.com ou BOMBS.
Azo vakina ny momba momba an’io fifaninanana io. http://forum.serasera.org/?rub=dinika/message&msgid=m474478d413f52 eto

Ary manasa anareo rehetra hanome zay blaogy hitanareo fa tsara indrindra . Io BOMBS io moa dia atao hampahafantarana ny Blaogy Malagasy efa maro be ary mifarana amin’ny 31 desambra 2007.

Aza adino ary mametraka BOMBA B!

Bizzzzz

__________

Bonjour,

Votre blog a été nominé pour être selectionné parmi les Meilleurs Blogs Malgache pour les BOMBS. http://www.bestofmalagasyblogs.com

Vous trouverez des informations concernant les règles et les différentes catégories de blog sur notre site web. Et vous pouvez aussi profiter pour soumettre vos blogs préférés !

Le but de ce concours est de mettre en valeur la qualité et la diversité de la Blogosphère Malgache. Alors n’oubliez pas de venir lâcher vos BOMBS jusqu’au 31 Décembre 2007 !!

Bizzzz, Joan

Shadow said...

Isaorana ireo izay mankasitraka ity sehatra ity ho safidiana @ Bombs, torak'izany ireo mankasitraka ka mifandray mivantana @ alalan'ny mailaka. Isaorana koa anefa ireo tsy mankasitraka ny hevitra izay voizina eto satria ireny koa dia manosika hatrany @ fanatsarana azy.