Thursday, January 17, 2008

Alefa lesy ry Andry a !

Ho an'izay mandalo @ sehatra etoana dia mahita fa tsy mbola nisy resaka teto fanohanana firehana politika manokana. Raha jerena maimaika ny lohaten'ity lahatsorara ity dia toa miendrika fanohanana an'ingahy Rajoelina, Ben'ny tanànan'Antananarivo vaovao. Dia mety ho lasa ny sain'ny sasany hoe Tgv angaha ny mpanoratra eto sa mijapy lamasinina ka lasa mirona any. Manana ny fomba fijeriny ny politika ny mpanoratra ary aleo tsorina fa tsy mirona any @ tariky ny Tgv akory. Raha ny marina dia ny lahatsoratr'ingahy Heriniaina Eugène, mitondra ny lohateny hoe Ny hoavin'i Andry Tgv no isan'ny niteraka izao aingam-panahy izao. Mety ho azo natao ny namaly ny resaka mivantana tany @ sehatr'ingahy Heriniaina Eugène. Saingy aleo eto no velabelarina ny tian-kambara eny fa na dia noho ny fananana fahalalahana bebe fotsiny aza, satria fahazarana eto ihany ny manao resa-be.
Ny resy tsy miady ...
Hiainga isika @ fifandraisan'ny lalao politika sy ny fingampingana maro isan-karazany. Hoy ingahy Heriniaina Eugène :
Efa manomboka sahady mantsy izao ny filazana fa betsaka ny manembatsembana ny tetikasany. Mety ho marina izany saingy ny fianteherana sy ny fampisehoana izany dia fialantsiny avy hatrany hoe raha tsy vitany ny asany dia vokatry ny sembantsembana ataon'ny hafa. Mandritra ny fotoana hipetrahany eo amin'ny fitondrana izany dia tsy maintsy hisy an'izay fitarainana izay hatrany, satria tsy maintsy hisy hatrany ny mpanembantsembana, na avy ao anatiny na ny avy any ivelany. Tsy vao izy no mpanao politika nisy mpanembantsembana ary efa fantany rahateo fa tsy maintsy ho izany no hitranga.
Saika maneran-tany ny lalao politika dia tsy fifanomezana vatomamy akory, misy mihitsy aza ny fihetsika izay tena maherivaika. Noho izany izay mirotsaka @ sehatry ny politika dia mivonona @ izay. Fijery bonaika ihany ny mifanohitra @ izay. Fa izao koa : mbola bonaika lavitra ny fisainana hoe satria izay no zava-misy dia aleo izany manaiky lembenana milefatra eo @ setrasetran-dry zalahy. Mpanao politika no resahana eto an, fa tsy hoe olon-tsotra akory. Izany hoe rehefa mieritreritra ny hanao politika dia mivonona ny hiady fa tsy hoe andeha hilalao akory. Ny teny hoe ady eto dia tsy sanatria akory ampifandraisina @ fitànana basy aman-tafondro na @ fanaovana ady an-trano. Fa kosa aleo raisina @ dikany mihaja : ady ho @ firaisankinan'ny fianakaviana politika misy ny tena, ary indrindra ho @ fampandresena ny hevitra tiana hitondrana ny tany sy ny raharaham-panjakana.
@ izay resaka ady politika izay dia samy mitady izay fitaovana heveriny fa mahomby ny tsirairay. Ho an'ny Tim dia isan'izany ny fanohizana an'ilay hoe oppo hoy ireo mpikirakira ny political marketing. Izany hoe ny fanaovana tsikera mivantana momba ny tenan'ilay mpifanandrina politika (mety momba ny toetrany ohatra, ny fiainan-tokatranony, ...) fa tsy ny hevitra tohanany akory. Fanohizana satria nandritra ny fampielezan-kevitra dia tena niasa be t@ Tim io fanaovana oppo io (efa noresaha kely ny @ izay vao tsy ela). @ izao fotoana izao ary dia voizina be ny hevitra hoe zaza bodo be koretaka ny Tgv ka tsy manao afa-tsy ny mitaraina. Mazava ho azy fa ny tanjona dia ny andetehina an-tsain'ny olona fa tsy matotra ireo ary tsy mahay mandray andraikitra. Isan'ny fitaovana ampiasain'ny Tim koa ny maha mpitondra azy eo anivon'ny Firenena indrindra @ famehezany ny sehatry ny ati-tany ary ingahy Préfet Rakotomavo (izay miankina @ Ministeran'ny ati-tany) no lohalaharana @ izay. Ampiasaina @ izany ny fokontany, mbola hiverenana misimisy kokoa ny @ io aoriana kely. Isan'ny tafiditra @ andraikitr'ingahy Rakotomavo koa ohatra ny fijerena aoriana (contrôle a posteriori) ny didy avoakan'ny Tanànan'Antananarivo. Ary azo inoana fa ankinina aminy ny fitsingolonana izay mety hadisoana ataon'ny Ben'ny Tanànan'Antananarivo.
Raha hijery ny ery @ ankilany indray dia tsara raha iverenana kely ilay famakafakana momba ny fandresen'ny Tgv natao teto. Isan'ny hevitra nolazaina t@ ilay famakafakana ny hoe tsy ny antoko politika loatra no mandrafitra ny fanaovana politika eto Madagasikara ka tompo-marika @ fakana fitondrana @ fifidianana. Izany hoe ny herin'ingahy Rajoelina @ izao fotoana izao, izay Lahimatoan'Iarivo, dia tsy ny Tgv (ny aoriana no tsy fantatra fa miankina @ firoborobon'ny Tgv) @ maha-tarika politika ny Tgv. Ny herin'ingahy Rajoelina voalohany dia ny vahoaka nifidy azy. Efa nambara teto ihany koa fa ny fikolokoloiny izay hery izay dia vokatry ny hakingana sy haranitan-tsaina nasehona eo @ lafin'ny politika, indrindra @ resaka political marketing. Tsetsatsetsa tsy aritra ary : sarotra ihany ny hampiaraka an'izay hakingana sy haranitan-tsaina izay @ hoe tsy fahamatorana. Arak'izany raha mitolona eo @ sehatry ny politika ingahy Rajoelina sy ny Tgv dia tsy maintsy mbola mampiasa ny hery ampelan-tanany sy izay hakingany mety ananany (@ serasera, ...) ihany : mazava loatra ary raha mitodika @ vahoaka izy maneho fa olana ny fanelingelenana sedrainy. Ny tombony azony @ izay dia eo aloha ny fanehoana eo anatrehan'ny vahoaka fa ratsy ny lalao politikan'ny mpifanandrina politika aminy. Misy miteny hoe hatr@ izao dia tsisy akory ny fioran-dalàna @ ireo sembana apetraka (Jirama, ...). Saingy ny olon-tsotra mijery ivelany tsy dia hiraharaha loatra hoe inona no ara-dalàna na tsia fa hitazona kosa ny mety hasomparana ataon'ny ankilany (izay ilay hoe tsy ny hevitra manasoasoa no mora mahazo bahana hoy ny mpikira ny political marketing).
Ny diavolan-ko lava ...
Fa ny tena mahavariana dia ny toa fanamelohana sahady an'ingahy Rajoelina ka hilazana avy hatrany fa handamoka ny hataony. Hoy ingahy Heriniaina Eugène :
Vokatr'izany dia mety tsy handroso mihitsy Antananarivo. Efa niantso ny rehetra hanampy azy i Andry TGV. Mety hisy hanohana ny antsony ny olona. Saingy hahavita inona anefa izany? Ary raha manohana ny antso ataony ny olona ka misy mpanembatsembana indray? Ary inona ny fanamby hasehony hoe azo itokisana izy amin'ireo fanampiana izay ataon'ny tsirairay?
Rehefa tsy mandroso Antananarivo dia ny ben'ny tanàna no ho halan'ny olona amin'ny fifidianana manaraka. Eo no mety hahasimba ny hoavy politikan'i Andry TGV.
Diso ny fiheverana fa ny fivoarana hita maso @ tanàna ihany no mametra ny safidy izay Ben'ny tanàna indrindra fa ho an'Antananarivo. Izay indrindra no isan'ny navoitra teto. Nihevitra ny Tim fa rehefa voadiony ny tanàna, misy ny zaridaina tsara endrika, ... dia ho faly ny mponina ary vitan'ny hoe : tsarao @ zava-bitako aho (teny fanevan'ingahy Rafalimanana) izy ity. Ny mponin'Antananarivo dia nampifandray ny resaka fitantanana ny tanàna @ raharaham-pirenena sy ny fandrosoany @ ankapobeny indrindra ny tsy fisian'ny fivoarana @ ady @ fahantrana (raha zara raha nihena ny fahantrana eran'i Madagasikara dia nitombo kosa izany teto Antananarivo). Raha misy ny mponina afaka ny hanavaka tsara fa tsy ny Ben'ny tanàna no nampahantra azy na hanafaka azy @ fahantrana dia angamba ny mponin'Antananarivo, satria eto no ambony indrindra ny salan'ny nahita fianarana, eto ny betsaka indrindra ny serasera mampahalala vaovao, ... Tsy hoe adalana akory izay na tsy voahevitra fa misy lojika dia ny lojikan'ny fifidianana antsefatsefany. Ankoatr'izay, tsy ny hitantana tanàna ihany no nifidianana an'ingahy Rajoelina. Izay ilay nambara teto hoe lojika manokan'Antananarivo izay mitady ny Lahimatoany. Arak'izany ny hibaiko ny safidin'ny mponina afaka efa-taona dia eo mazava loatra ny fahombiazana na tsia @ fitantanana ny tanàna. Saingy eo ihany koa ny tontolo politika sy toe-karena ankapobeny. Aiza ho aiza ny hisy ny Tim izay nihemotra @ izao fotoana izao rehefa avy nanjaka efa ho folo taona teto Antananarivo. Mety hisy olona hafa hipoitra ve, satria aleo tsy hadinoina fa fotoana fohy dia mety hampipoitra olona afaka hiambo ho Lahimatoan'Iarivo.
Fa andeha heverina vetivety fa hijanona fotsiny @ resaka fitantanana ny tanàna no hitsarana ny Ben'ny Tanàna @ fifidianana manaraka. Andeha koa visavisaina fa tsy hisy ny fahombiazana vokatry ny fingana maro. Raisina izany ilay famakafakana napetrak'ingahy Heriniaina Eugène. Ny lesoka voalohany @ izay famafakana izay dia ny tsy fiheverana fa isan'ny hakingan'ingahy Rajoelina nasehony hatreto anie ka ny fahaizany mampiasa ny serasera e. Izany hoe azo inoana fa raha mitohy foana ny fingana dia tsy maintsy hitohy koa ny fanehoan'ingahy Rajoelina izay @ vahoaka. Ilana fahaizana koa anefa ny fitànana ny fon'ny vahoaka hanameloka an'ireny fingana ireny. Ary @ izay no azo amisavisana fa hahombiazan'ingahy Rajoelina satria ny isan'ny tombony ho azy dia ny fahaizany mamolavola tetik'ady @ serasera. Ny lesoka faharoa (izay mitohy @ ilay voalohany ihany) dia ny tsy dia fiheverana loatra izay ho fahefa-mandinika ananan'ny vahoakan'Antananarivo. Dia azo inoana ve fa raha misy ny fingana maro isan-karazany dia tsy afaka mandanjalanja mihitsy ny mponin'Antananarivo hoe ny mpanao ireny fingana ireny anie ka manan'andraikitra @ izay tsy fandehan'ny raharaha izay. @ izao fotoana izao aza eo anatrehan'ny tsy fahombiazan'ny mpitondra eo an-toerana efa taona 6 izao, dia mbola mandaitra @ sasantsasany foana ny fialan-tsiny hoe vokatry ny 25 taona nitondran'ny teo aloha no tsy mampandeha ny raharaha. Ka ahoana no iheverana fa tsy ho hitan'ny olona ny fingana apetraka isan'andro @ mpitondra ny tanàna, indrindra moa raha hain'ireto farany ireto tsara ny miserasera hakany ny fon'ny olona eo anatrehan'ireo fingana ireo ?
Io fijery eto ambony io dia mamisavisa ny tsy fahombizan'ingahy Rajoelina. Saingy iza no tena afaka hilaza fa hahomby izy na tsia ? Tsy misy ! Fa kosa hadisoam-pijery ny fanaovana tsinontsinona ny fahatokisan'ny maro an'isa azy @ izao fotoana izao. Tsy ho lany mihitsy ingahy Rajoelina raha tsy nisy izay fahatokisana izay. Nolazaina teto fa ny tsy fankasitrahana ny Tim (fahatsapana fa toa tsy hita be ihany izay fampandrosoana) no tena isan'ny fototry ny fironan'ny vahoaka nankany @ Tgv. Izany tsy midika fa filan'ny tsy mahita ny an'ireo mpifidy maro an'isa ireo. Tsy ingahy Rafalimanana sy Rajoelina irery akory no nifanandrina ka hoe rehefa tsy ny andaniny dia ny ankilany. Isan'ny nikofoka mafy t@ fifidianana koa ingahy Ramiarinjatovo, izay nahafeno ihany ny fepetra sasantsasany (fepetra izay navoitran'ny fanadihadiana siantifika efa noresahana teto) tadiavin'ny vahoakan'Antananarivo @ mpanao politika kanefa tsy dia nankaiza loatra. Raha fandavana ny Tim fotsiny no tena nibahana tao an-tsain'ny mpifidy dia nitohy ny tsy faharisihina nifidy (nihodina teo @ 70%) izay hita t@ fitsapankevi-bahoaka (04.04.07) sy t@ fifidianana solombavambahoaka (23.09.07) ; ireo tsy fandehanana mifidy ireo mantsy dia manana ny heviny manokana ho an'Antananarivo raha tsiahivina ilay nambara teto.
Farany
Rehefa jerena ilay lahatsoratr'ingahy Heriniaina Eugène dia misy hevitra izay manahirana ny saina ihany ny mieritreritra azy : ny toa fanehoana fa raha mbola ny mpitondra ny firenena ankehitriny ny eo dia aloe tsy hisy hafa ankoatra azy ireo koa eo @ fitantanana ny tanàna. Fa angaha moa ankolafin-kery iray ihany no manana zo hanao politika eto Madagasikara ? Raha izay no izy, inona moa no andaniam-bola @ fifidianana maro, tsy aleo ny filoha irery no fidiana dia izy avokoa no manendry ny tompon'andraikitra rehetra avy eo ?
Ny fahatokisana fahombiazana 100% vao hirisika handraharaha ve no hatao hoe fahamatorana ? Tsy misy afa-tsy ny antoko Tim irery ve izany no matotra ara-politika ? Satria izy ireo irery no afaka nanantena fa tsy ho voaelingelina ka halalaka tsara ny làlana mankany @ fahombiazana. Tsy fahamatorana ara-politika ve ny famolavolana sy fampiharana tetikady nahafahana nandresy ny antoko matanjaka be toy ny Tim ? Tsy fahamatorana ara-politika ve izany ny fandraisana andraikitra hamelona ny demokrasia mba tsy ho firehana iray no irery no hanjaka @ firenena ?
Dia ahoana izao no ho tohiny ? Mirary fahombiazana ho an'ingahy Rajoelina na dia noho ny fitiavana an'Antananarivo fotsiny aza.